TENDRY FANIRIANA (Harydi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENDRY FANIRIANA

Tsy hoe ; ...
Ianao no tiany
Dia izy no hariany
Na hoe ; ...
Ianao no halany
Dia izy no ho malalany
Fa na izy na ianao
Samy ts’ isy kilalao
Miara-monina mitoetra
Am’ zay hatao rehetra
Ary tendry faniriany
Malalany ka tiany
Tokana tsy mitakalo
Tsy avelany hifangaro
....
Fa ianao no izy
Ilay tokana an-tsafidy.

Harydi 10.06.04
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
977 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harydi
Nampiditra : Harydi
Daty : 02/12/2014 06:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146