IZAY ... (Harydi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY ...

Niriako novonoina
Niriako nohadinoina
Ny momba anao rehetra
Niriako ny hamafa
Niriako ianao ho lasa
Tsy hananambiny tavela
Ireo rakitry ny ela
Niriako ny ho voasolo
Ireny manontolo
Ilay tsara kolokolo
Fahafahana manefa
Ny vita izay rehetra
...
Niniako mba nodorana
Hiongo-paka hofongorana
Nefa toa tsy maty
Ilay afo tao anaty
Mainka koa namana
Ilay tao am-poko adala
Nitamberina ho tsiahy
Namolivoly ny fanahy
Mitia rehefa tiana
Hananam-pitokiana
Hiaina hanatsara
Ny ho avy any am-para
.....
Izay lasa ho tantara

Harydi 02. 04. 02
--------
Rohy:
1051 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harydi
Nampiditra : Harydi
Daty : 02/12/2014 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153