Anaovy sary aho, (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaovy sary aho, sariny iray,
Ataoko sovenira, ahatsiarovako azy indray,
Fakako torimaso rehefa izaho hatory,
Ilay sariny iray fanalako sorisory.

Anaovy sary aho tsy hoe atao ahoana,
Na taiza ny toerana na ovina ny fotoana,
Ataovy sary iray, sary manontolo,
Izay sarobidy ho ahy ka tsy asehoko olo...

Anaovy sary aho sariny mitsiky,
Fa ny fitsikiny iny dia tena afa mihitsy,
Hainao moa izany ka meteza re rahavako,
Fa iny molony iny no mba tsaroan'ny vavako...

Anaovy sary aho dia ny fijeriny ahy,
Aza asina alahelo, aza asina ahiahy,
Ataovy mibalika toy izay nolazaiko,
Fa ny fijeriny iny no tsy afaka an-tsaiko...

Anaovy sary aho, ataovy hita koa ny tanany,
F'izay kasian'iny dia efa tena fantany,
Na nifampitantana, na nasafosafo,
Aloan'ny hatory na avy misakafo...
--------
Rohy:
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0102