Mbola hiara-dia (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reako ilay feonao izay mibitsika ahy,
tsapako avy hatrany fa malahelo ianao,
Manontany foana hoe tia ahy ve ianao,
Eny hoy aho tsy misy ahiahy

Tsapako ny alahelo izay mahazo anao,
Fa mafy noho izany ny mahazo ahy koa,
Aza manahy fa efa isika roa,
no miara-mizaka izay tsy tantinao

Sarotra ny lalana izay diavintsika
Na izaho na ianao samy miaina izany
Ka na misy aza ny elanelan-tany
Ny fitiavantsika tsy mba hangatsika

Fa any no misy anao, izaho kosa aty,
Tsy mitsahatra manembona ilay olon-tiana,
Zary manirery, mahatsiaro mangingina,
Nefa manantena fa mbola hiara-dia...
--------
Lien:
22 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119