Fony aho nitia anao (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony aho nitia anao:
Nitsiky foana tamiko ny masoandron'ny maraina,
Ny ahita anao indray no masaka ao an-tsaina,
Toa feno voninkazo ny lalako mankany,
Nihevitra foana aho fa ianao no hiafarany.

Fony aho nitia anao:
Ny rivotra mifoka nanjary hirahira,
Ny anaranao vetsoiko no lasa tonon-kira,
Dia nianatra nanofy tokatrano kely iray,
Ianao irery ihany dia mahasambatra ahy.

Fony aho nitia anao:
Harivariva iny ianao mikalokalo,
Ny fiainako rehetra dia toy ny tononkalo,
Raha nanorana aza ny andro, tsy niala teo aho,
Ny amiko rehetra no efa lasanao,

Fony aho nitia anao:
Tsy mbola nisy mihitsy ny alina mangina,
Nisy anao daholo hatramin'ny fandrina,
Ankehitriny anefa ilay fitiavana namay,
Nandalo fotsiny ihany fa tsy mandrakizay,
--------
Rohy:
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115