An-tsokosoko ihany, (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An-tsokosoko ihany angamba aho no hitia,Ilay tiako mantsy any tsy mahatsiaro ahy akory
An-tsandrin’olonkafa izy no revo mankafy
Tsy ahatsapa akory izany foko ory.
Faniriako ny hamboraka ilay ventsom-poko ato,
Teny avy any anaty tsy misy vazivazy
Fidoboky ny foko mitia tsy miato.
Raozy vao nitsiry izay natokako hoazy.
An-tsokosoko foana izy mitia ahy,
Tsy azo ankalazaina ny fitiavanay,
Any alavitra any izy efa misy mpiahy,
Fa mangalatra mitia rehefa miaraka izahay.
Faniriana ihany ny azy ny hitoetra anilako eto,
Fa eto ny hafanana tsy mbola nisy tany
Tsy misy alahelo, tsy misy sentosento,
Mahasambatra azy, azahoany mamy
An-tsokosoko foana rehera miaraka izahay
Na izy na izaho, efa nanaiky izany,
Tsy nanana safidy fa efa ohatr’izay
Na aiza alehanay raha mbola ambonin’ny tany
Faniriana ny anay ilay hiaraka eny foana
Indrisy mantsy anefa fa nofinofy izany,
Samy manana olon-tiana, mifangalatra fotoana,
ka aleonay mitia an-tsokosolo ihany.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fitiavana
