You are here: home > Vetso

FEO FANAHY - HERININA

Azo vakiana?

Fanahy ianao
nandalo ny lalan'ny fiainako
nandalo ianao
nikalo ilay kanton'ny tarainako
nikalo ianao
nivetso ny nofin'ny fisainako
nivetso ianao
nitia ny soratra tsy laitrako

Feo ianao
namaky ny habaky ny lasako
namaky ianao
nitety ny ferin'ireo ratrako
nitety ianao
nitsabo ny rofy tato an-tratrako
nitsabo ianao
nanaiky ny antsoina hoe malalako

fanahy ianao dia feo
nahasambatra ny fiainako
feo ianao: fanahy
namafa ny tarainako
fanahy ianao: tsy sary
kanefa dia notiaviko
feo ianao: nanjary
talentan'ny ho aviko

HERININA
10 desambra 2012

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : HERININA

Nampiditra : herininatjh
Daty : 02/06/2016
Mpamangy : 833
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RAISO NY PENINA
IZY NO POETA
VONJEO NY TANINTSIKA