VONJEO NY TANINTSIKA (HERININA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tanintsika ity hoe tany manan-jina
tany soa sy kanto sy be mpitsiriritra
indrisy anefa ity toa farafahoriana
ny any Atsimo maina, Imerina tsy ritra

Nankaiza sy nankaiza ny Masina sy Razana
no tototry ny ankaso i Dago tanindrazana
matory tsy mijery sa minia ny tsy mitazana?
sa kosa miandry sorona eny an-jorofirarazana?

Izay rehetra hita tsy misy hojerena
fa mampihoronkoditra, he! mampahonena
mahalasa saina, mampanontany tena
angaha miha-milentika i Dago firenena

Iza no omem-pondro? iza no omen-tsiny?
isika tompon-tany sa ry zareo vahiny?
ny zanahary ambony no efa tsy mizaha
sa ny razana any am-pasana no efa tsy mitaha?

Ny mpitondra fanjakana no tsy nanao ny anjarany
sa ny vahoaka koa no nanimba ny eo an-tanany?
ny mpamatsy vola ivelany tsy hita rehefa ilaina
sa ny mpinana ny lany no mankarary saina?

Fa tototry ny loza i gasikara mamiko
tsy misy lalam-poza hitsoahana tsy ho tràny
indrisy, mihasimba, miharava ianao ry taniko
haharitra rahoviana? ... aza hitako any izany!

Ity tanintsika ity hoe tany manan-jina
indrisy anefa ity toa farafahoriana
ny any Atsimo maina, Imerina tsy ritra
mifohaza ianao ry razana, vonjeo ny tanintsika!

HERININA
28.02.15
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
861 1
Mpakafy: herininatjh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HERININA
Nampiditra : herininatjh
Daty : 02/06/2016 07:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139