You are here: home > Vetso

RAISO NY PENINA - HERININA

Azo vakiana?

Rahefa  sendra ny don-tsy miverina
Dia, malaky, raiso ny penina
Hampionona ny anaty fo
Mba tsy hankarary ny an-doha

Rahefa, tojo ny tsy azo anoharana
Dia faingano malaky ny tanana
Ka raiso ny penina handrakitra
Hampitony ny anaty efa rangitra

Rahefa tratry ny aza manody
Dia tokana ny fanafody
Raiso ny penina hanoratra
Dia ho maivamaivana ny hozatra

HERININA (30 APRILY 2011)

Sokajy : SORATRA

Mombamomba

Mpanoratra : HERININA

Nampiditra : herininatjh
Daty : 02/06/2016
Mpamangy : 938
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

FEO FANAHY
IZY NO POETA
VONJEO NY TANINTSIKA