You are here: home > Vetso

ADALAKELIKO - HOBIANA

Azo vakiana?

Lavo indray ianao kanefa
tsy ny mbola handao anao
no ato an-tsaiko raha ny marina
  
      Fa hiezaka aho ny hanefa
      izay mba azoko hatao
      handray ny tananao sy hanarina


Mahatoro fo tokoa
ny miaritra izao
saingy hezahiko ho leferiko
  
      ka hitolona aho aloha
      sao ihany ho tsapanao
      ny hoe "Fitia" ry adalakeliko.


                 HOBIANA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : HOBIANA


Nampiditra : helitiana
Daty : 26/10/2006
Mpamangy : 1167
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

PAPANGOHAZO
BEDY
MADAMA