PAPANGOHAZO (HOBIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PAPANGOHAZO

Mangina tany efitra
ny foko tsy mandre ny rotsirotsy aakon’ny sora-kafany iny.
Kamory ka mandefitra
… Nilaozan’ilay vorona niritsoritso- kalo, kalo tsy niniany

…kanefa tsy nekeny ho kalona fitia.

Dia asa, hono, re… ilay vovoky ny ireriko tsofin’embonembona:
Mivenjivenjy indreny misarina fanahy mitady ny vinaniny!

Izy angambany any
tojo sarisarina anoka hasambarana hatry ny ela nozahany
sondriana mankamamy
safosafo-nofy miantso ny ampitso hifarana androany

…Kanefa dia nekeny ambarany ho doria!

Mandainga nefany izy… milaza fa ny fony tsy aonjaonjan-javatra:
Ity tady ity monja no ahoriko eto fotsiny… dia eto anilako iny!

HOBIANA
26/11/2009 23/10/2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1389 0
Hevitra mandeha
Hobiana ( 23/10/2010 09:45)
Vao noloarana vao izao, asa na masaka ihany na manta mohaka?
rainstorm ( 23/10/2010 10:51)
masaka..... aoka re
ary tena hanonja ny fiavin'ny adolan-tsento raha izao no izy an
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HOBIANA
Nampiditra : Hobiana
Daty : 23/10/2010 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136