You are here: home > Vetso

BEDY - HOBIANA

Azo vakiana?

Ny fodiako harivariva efa ho isan'andro izao
sy ny fangalaran-dia mba hiarahana aminao

       Nahabedy ahy tokoa!

Ny fahalasanan'ny vinany mandeha mikaroka ny anao
tsy nahavitako entimody sy izay tokony ho natao

       Nahabedy ihany koa !

Ny vetso soratananao sy ireny taratasy ireny
'lay sarinao mba sendra adino eny ambony ondako eny

       Nahabedy impiry moa ?

Ny hevi-petsy nampiasaiko ho tetika mba nanafenako
'reo kaikitry ny molotrao namariparitra ny tendako

       Nahabedy avokoa !

...
Ianao...eny,ianao ihany raha atao indray mibango
no antony nahatonga izany ka saika hilaozako kinanjo

       ...Bedin'ny Fitiavako aho !


                   HOBIANA.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

raozigasy (20/10/2006 14:04:29)

Bedin’ny fitiavako aho
raha saika handao anao,
Bedin-dray sy reniko aho,
noho ny ditrako sy ianao

Mafy izany bedy izany,
Nefa raha samy ho bedy ihany,
Aleo izay tiako no hatao
Fa leo aho, bedy lava izao

Mandainga izay tsy nandalo teo e ! dia mahereza izay eo am-pandalovana e !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : HOBIANA


Nampiditra : helitiana
Daty : 20/10/2006
Mpamangy : 1252
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

PAPANGOHAZO
ADALAKELIKO
MADAMA