MADAMA - HOBIANA
Azo vakiana?
Asa re Madama
raha sendrasendra ihany rehefa ianao mampianatra
fa tsinjoko mazàna
mifampiantefa foana ny masontsika mianaka
Ny fanadinana aza
efa indroa nisesy tsy nisy haiko akory
Nefa dia nahagaga
nanjary izaho indray no nahazo isa ambony
...Dia faly ery i Neny
nandoka sy niteny
fa mianatra ny zanany
Ianao koa moa Madama
tato ho ato izay dia tena niova mihitsy
Ny andro tsy mafana
Ny akanjonao he nefa...mihafohy sy mihamanify
Vao mainka aho tsy mahay !
Ny lesona mandeha ,ny masoko any ihany
Sady izay indray
ilay dolam-bikanao no ataoko nofy mamy.
...I Dada anefa any
manantena hatrany
fa mianatra ny zanany.
HOBIANA
Hevitra mandeha
lapino (21/09/2006 04:01:24)
njaf (21/09/2006 07:16:11)
tandremo ihany izany rankizy malagasy an
helitiana (21/09/2006 18:07:09)
marina ny anareo fa fampitandremana fotsiny io e,sao mantsy variana @ madama eo ka rehefa ofisialy vao tsy ao anaty lisitra ka mitomany
Mombamomba
Mpanoratra : HOBIANA

Nampiditra : helitiana
Daty : 19/09/2006
Mpamangy : 2016
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
PAPANGOHAZOADALAKELIKO
BEDY