Faingana vonjeo (Iara)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faingana hiady mafy
Avondrony ny hairaha,
Fandrao ny "malagasy"
Ho babon'ny "vazaha".

Asandrato ny faneva
Ajoroy re ny satany
Mba tsy hitratrevatreva
Ireo vahiny sasantsasany.

Katsaho re ny lasa
Fongaro ny tantarany
Fa maro ireo mikasa
Hamono ny anarany.

Tsaboy fa maratra
Ireo kolontsainy
Fa sao tsy ho tratra
Ka ho tapitra ny ainy.

Faingana f'efa akaiky
Ny fepotoana farany
Faingana sao taraiky
Ka tsy ho azo ity anjarany.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/iara/faingana-vonjeo
Sokajy : Kolontsaina
1123 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iara
Nampiditra : Iara
Daty : 23/12/2006 10:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1986