Lanto! Tia anao aho, Meteza ho tiaviko. (Iara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lanto!

Ny endrikao manga, meva sady kanto
Ny fitsikinao sariaka dia sariaka
Ny famindranao somary milantolanto
Mitambatra iray dia masoandro mibaliaka

Tia anao aho
Lanto Lanto foana, Lanto Lanto ihany
Tsy miala ao an-tsaiko, tsy afaka ao am-bavako.
Ny anaranao foana, Ny anaranao hatrany
Tanisako isan'andro fa nambabo ny fitiavako

Meteza ho tiaviko
Ny foko manontolo no he fa babonao.
Ny fitiavako rehetra sy izay am-pelatanany
Atolotro ho anao ka raiso sy hanjakao.
"Tia anao ny foko, Meteza ho mpanjakany"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1313 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iara
Nampiditra : Iara
Daty : 28/01/2007 19:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093