Dada (Iary Fyh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na nandao ahy Neny
Fony tonga teto an-tany aho dia I Dada tsy nanary
Na aza aho kamboty Reny,
Dia tsy nahatsapa izany satria I Dada teo hatrany
I Dada tiako foana
Na nahatsapa fahabangana aho tsy mba nanan-dReny..
I Dada foana foana
No Raiko Sady Reniko nanampy ahy tsy ho very

Izany Raiko izany an!
Nampianatra ahy niteny, nampianatra ahy nandeha
Izany Raiko izany,
Tsy niamboho adidy fa nitaiza nanabe.
Nikarakara ahy izy
Nanao izay rehetra vitany,nahasolo toeran-dReny
Nananatra ahy izy ,
Raha mbola nahasoa ahy tsy nikelezany aina fa avy dia nomeny

Be fitia ianao ry Raiko
Niady irery ho ahy tamin'ny andronao rehetra
Mamiko ny Raiko
Mana-toerana ato am-poko ary tsy ho voafetra
Misaotra anao ry Dada
Fa tsisy ankoatranao ny olon-tokako eto an-tany
Mankasitraka ry Dada
Ny zava-bitanao sanatria hadino izany !

Ankehitriny ary!
Lehibe aho , raha tsisy anao nitaiza tsy olom-banona toy izao
Midera ny Nahary
Nanampy foana antsika , nanome hery anao !
Ny ampitso tsy ho takatro
Fa ahy indray izao ny adidy, vonona aho hiafy
Ka izao no hafatro:
"matokia fa tiako ianao ry Dada mandra-pahafaty"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
13 1
Mpakafy: IaryFyh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iary Fyh
Nampiditra : IaryFyh
Daty : 26/10/2026 18:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4392