Hiakan’ny zavaboahary (Iary Fyh)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany !Mitaraina any anaty rivotra any ,
Re manako anaty sofina avy lavitra any
Ny hiakan'ity tany !
Ry Volam-penomanana an'Habakabaka iny
Meteza hampitondraiko izany vetsovetsom-poko any am-pon'ny mahalala...
Ianao ry volana iny no hampatsiaro ny fahiny
Fa tontolo maitso mavana I Madagadikara no niniana noravana.
Tato ho ato mantsy dia re mihatraika amin'ny nofo
Toy ny rangotra mandratra ny zava-misy mampahory eto amin'ny firenena
Dia ankehitriny izao ny hasin'i Gasikara no Zara lasa nihofo
Satria ny zava-boary ny biby io na Ala no nodoranareo ka lasa mahonena
Ry Olombelona Tia tena, dory, kapao,
Dia aza mimenomenona amin'ny asan'ny masoandro na oviana na oviana !
Fa ndehana dory dia kapao daholo izay rehetra hitanao
Kanefa saino ihany hoe aiza ny taranaka no honina ao aoriana?
( Moa va tsy eto ihany ny Tanindrazanao ?)
O ry Malagasy mpanimba ny tontolo
Mba mijaly ihany ireny zava-boary ireny na Aza tsy miteny
Ka Aza dia hanaovana fisainana bontolo.
Ka izao no tadidio: mbola hanody anao izao taraina izao ...
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
IaryFyh
