Fotoana kely indray mipika... (Ikalakely Rota Ramy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy andro maro lasa izay
Toa tsaroako toy ny omaly
Ora iray tsy haiko hofafana
Indray nipika teo ianao no lasàna

Volana vitsy monja izay
No nandaozanao anay
Safidinao tokoa ve izany
Sa noho ny etraketraky ny tany

Tsy haiko ny tsy hisento
Ny anaranao no vetsovetsoko
Na maraina,na atoandro
Lasanao ny eritreritro

Nalàna tamiko ilay jiroko
Nanazava ny tontoloko
Ilay nibaby,nipoirako
Ilay sakaiza tsarako,ilay mamako

Nalana tamiko ilay heriko
Namelomako ireo tsikiko
Ilay namboleko ny fitiavako
Ilay tokana hany mamiko

Mbola tsy haiko tokoa ny tsy hitomany
Ilay ora iray namoizanao ny tany
Neniko ireo fahiny,aza omenao tsiny
Fony aho nandika,fony aho nadiditra

Angatahiko aminao ry Avo
Ampitao aminy izato ventsoko izao
Lazao azy fa lasany ny tsiky sy ny ravo
Fotoana kely indray nipika namohizako azy...

Ikalakely Rota Ramy. 21Decembre 2009
--------
Rohy:
1106 1
Mpakafy: ratoto
Hevitra mandeha
nyratsima ( 26/12/2009 15:42)
mahereza an ! dia mazotoa mivavaka fa izy Tompo hanamaivana ny alahelonao !efa teo amin'io toeranao io aho taona maromaro lasa izay fa ny vavaka ihany no nahavonjy ahy ! aza kivy an !!
ratoto ( 29/12/2009 22:51)
Mahereza e, Andriamanitra mahay mandahatra ny zavatra rehetra fa izao no mahasoa antsika e!
Courage fôn!
IkalaRota ( 02/01/2010 13:20)
Merci bcq...ui efa mivavaka mafy :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ikalakely Rota Ramy
Nampiditra : IkalaRota
Daty : 23/12/2009 01:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164