Ilay diam-peninao... (Ikalakely Rota Ramy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vahotra ny foko,tretrika tokoa
Niserana kely teo
Ilay tsiaro anao
Raha iny aho namaky ireo diam-peninao

Toa nifoha teo indray
Ilay ratra tato am-poko
Nanamaloka indray
Ilay masoandro keliko

Aiza moa izany an-koatra izany
Nandaozanao ny fiainana an-tany
Sento sisa sy tomany
Very anao aho ry ilay mamy

Embona,hanina,sy tamberina
Ankehitriny tsy haiko afenina
Nahoana re ry Ray no nalanao tamiko
Ilay masoandro nampamiratra ny androko

Soa ihany anefa fa teo ireo diam-peninao
Raiketiko ho tsiaro ireo anatranatrao
Saingy ireo ve ahafeno ny habanganao
Manahy aho,tsy ho adinoiko ilay andro namohizako anao...

Ikalakely Rota Ramy.
--------
Rohy:
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ikalakely Rota Ramy
Nampiditra : IkalaRota
Daty : 21/12/2009 20:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137