Manina an'i neny,ilay mamiko,ilay tsy foiko... (Ikalakely Rota Ramy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manjomotra ny androko
Maizina ny lanitro
Takona ny masoandroko
Ravarava ny tontoloko

Tonga indray ilay anina
Tsiaro tsy azoko ioarana
Sento tsy misy fiafarana
Alahelo tsy hay ho fafàna

Dia tomany teo indray izato foko
Nanembona raha iny injay tsaroako
Ireo taloha ilay fahazazako
Ilay hanitrao zary hany mamiko

Tsaroaka koa ilay andro ianao nibaby
Nandrotsirotsy aman-tambitamby
Tsy mba noana na nitaraina
Teny mamy mandra-maraina

Enikao ny fifaliako
Ireo teninao no nitokiako
Tokana tsy misy mahasolo
Ny fetra tsy hainao raha ho ahy ny soa.

Nitolefika aho,teo ianao nanarina
Resin'ny tomany ny foko,teo ianao namafa ranomaso
Babon'ny ditrako aho,teo ianao namela ny heloko
Very amin'ny adalako aho,teo ianao nanitsy ny làlako

Manina...
Manina ilay orokao,ilay tsikinao
Tsikinao iray nampilefy ireo tarainako
Nanazava ny fisainako

Manina...
Kanefa aiza intsony moa izany?
Na mangidy,mafy atelina ary
Izorako iany na tomany...
Na marary tsy hay ho zakaina ary
Holanjaiko tsy hapetrako...
Na mandratra ato anaty ary
Tsy avelako itroatra mafy...
Handroso aho tsy hihemotra...
Satria izay no fifalianao...
Ilay afonao tsy ho faty...
Ato am-poko mandra-maty...

Ikalakely Rota Ramy.
07-03-10
--------
Rohy:
1572 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ikalakely Rota Ramy
Nampiditra : IkalaRota
Daty : 16/07/2010 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0268