Sava ranon-dolana (Raomy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namerina namaky ity rango nimpirina fotsiny tao anaty vata nandritry ny taona
maro aho. Nisento tokana tokoa aho satria toa mifanaraka ihany amin'ny zava-
misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao ilay rango vita an-tsoratra taona
maro taloha.
Jery todika tsy mivatravatra no niandohàny teo ary atolotra am-pitiavana ny
fitsaranao sy fijerinao mpamaky tsy miangatra izany rango izany.

************
Ny be anavon'ny hazo avo...
Tena mamono ny fahatsorana!
Ny tsindry hazony toa lena foana...
‘Zary manaloka ny mila andro!
Ny erikerika andro ririnina...
Tsy rano tondraka fa manaintaina!
Ny omaly lasa tsy tian-ko fantatra?
Mamolivoly ny fo torovana...
Ny hetraketraky ny tsy hay fantarina?
Manala aina ny tia sy marina...
Tsy rivo-mitsoka ka ho melohina...
Fa hoe nampilefitra ny hazo avo...
Raha ny hazo avo re no iva saina...
‘Zary fadiranovana ny rehetra!
Raha ny fanahy re no mantsim-pofona...
Tena lanadanaka ny tontolo!
Raha ny ranom-bavaka re no maha-janga...
Efa niadam-pinaritra ny ambanilanitra!
Ny teny mivoaka tsy alain-tendro!
Miadam-pamindra ny fandrosoana...
Raha ny rahona ambony re no very jery...
Ho tsy an-kiato ny ranon'orana!
Hikija handoro izay rehetra tazana...
Hamotika hatrany amin'ny tsy taza-maso!
Irony adim-balala re mba leoko ihany...
Ny milisy nirotsaka tsy nampoizina!
Raha ny andiam-balala re no tsy hay tohaina...
Ny omaly tandrevaka no handatsa!
'Zay ‘hany anjara hidify, hilefa ho takona...
Tsy hay toherin'ny be fitia!

Ho montsamontsana izay tavela!
Mandra-pahatongan'ny tany efitra...
Ny be an'avon'ny hazo avo?
Efa tsy an-kanadina hatramin'ny ela!
Ho tojo tsy iriana ny tazon'aina...
Tonga ho azy tsy arahin-drindra!
Raha ny saina malalaka no terena...
Hanaiky ny mantsina tsy hanempotra?
Aleoko misintaka lavidavitra...
Hamadika im-pito ny tsy hay takarina...
Veloma madinika, ry tiako foana!
Tsy anjara iriako ny ho velom-pery!
Zaho tsy mankahala zay maty ho azy...
hitsangan-kitady ny azo iarahana...


(desambra 2002)

************
Ny hoe «rango» dia fomba iray fiseraseràna avy amin’ny alalan’ny vazo any
Ambany Andrefan’i Madagasikara any. Indraindray mifanatrika eo ny mpirango
dia mifamaly ny rango fa misy koa ny rango miainga avy eo amin’ny vohitra iray
miantefa amin’ny vohitra iray hafa. Mamaly toy izay koa ilay vohitra hafa. Mazàna
anefa dia miaraka amin’ny aponga tany ny rango. Ny aponga tany dia lavaka iray
eo amin’ny tany eny amin’ny vohitra iray. Voahosotra tainomby ny atin’ny lavaka
ary misy tsatoka hazo maromaro amin’ny sisiny roa eo amin’ny lavaka. Ireo
tsatoka hazo ireo dia ampifandraisin’ny fandrotrarana (karazan’ahitra mandady
lava tokoa) ary henjanina eo ambonin’ny lavaka. Rehefa mively amin’ny tahon-
kazo iray na roa ny fandrotrarana mihenjana eo ambonin’ny lavaka voahosotra
tainomby izany dia mamoaka feo lasa lavidavitra ihany tokoa. Mifangaro izany ny
rango sy ny aponga tany ary azo ampitàna hafatra. Hatrany amin’ny taona 1970
tany dia mbola maro ny tanoran’iny Ambany Andrefan’i Madagasikara iny no
nirango niaraka amin’ny aponga tany.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Raomy
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/02/2020 11:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1419