Dotram-piainana (Raomy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
kotro-baratra avy anaty?
... dia nibosesika nivoaka

itony sento mpanakora
toa nitazana ahy nijaly
sy nandoro mena 'reto masoko
... tsy avy miaina ...
... toa afak'aina
raha mitohy tapitr'aina
k'aleo hivoaka
sao hiofo ho dinitra sy ratra...
... raha ao anaty tsy miloaka!


hovitrovitry ny vatako
vahobahotry ny lelako
sangodim-panina ny saiko
... nangovingovitra ny molotro ...
... fidobodoboky ny foko
fifaliana sa toloko?
... afa-tsambatra
... tsy tsaroako
... hoe sahôko
... tsy nahoako!

tsy nandrandraiko
ny hadalako
... toa tompon-tsehatra ...
niantsampy ihany fa tsy nilaiko
ilay fitiavana no lalaiko
tsy ho kosehiko malaky
f'avelao ho lalim-paka ...
... ato am-poko ho tojo laka
... ao an-tsaiko ho fato-maty
... tena izy tsy an-kivaha!

ho tsara baiko
nampitaiko sy nantenaiko
avia arahabaiko
karibo é, sombinaiko
... am-pitiavana
... an'alin-kisa
... tsy voaisa
... sesehena
tsy hay afatra ...
... fa saro-pady!

tsy nisy tamby
fa tomefy
tsy nisy voady
tsy nisy fatra
fa tsaroako
itony sento tsy nahoako
raha lasana any tsy tsaroako
mendrika aho ho faly ravo
f'ireo jaly nampimalo
... hiofo mamy toa fary...
... na tsy ho androany dia androany...
... ilay ampitso tsy hampimalo...
... ho tora-jofon-karavoana...


29 novambra 2010
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
891 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Raomy
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/02/2020 11:02
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099