TANDRGNESA (Ilo NANAHARY )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANDRIGNESA

Tandrignesa hely f'izaho hivôlan-draha!
Maro tovovavy tsy mijery ny avenira fa
Vao mahita vôla dia...roboka sy sahy
Mitia antidahy...
Zava-misy marigny tsy azonao disoina
Manaram-pivoarana e!,manaram-pandrosoana hoy ireo gaom-bavy
Midehaka sy tretrika milaza fa hoe favy,
Fa nahazo antidahy mahavita sitrapo
Tsy fantany tokoa hoe,ny fiainagna amaraigna?
Tsy azonao visaina fa mbola ankamantatra
Fa vao mahita vôla dia...minia tsy mahafantatra ny ho tohin'ny tantara
Tadidio tsara ry tanora maintso vôlo
Fa misy ny ohabôlagna napetrak'ireo Ntaolo hoe...
Tanora ratsy fihary e,antitry vao ratsy (rô)
Ka tandremo ry gaom-bavy,f'aza mandeha mafy agnô...

Ilo NANAHARY

© Ilo NANAHARY – Asa soratra original – 2025
--------
Lien:
6 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ilo NANAHARY
Inséré par : ilonanahary
Date : 03/07/2026 14:38
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119