FEFY (Ilo NANAHARY )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEFY...

‎An-taona maromaro,no niarahantsika roa.
‎Nivoady ho doria,sy ho fitia lamban'akoho ka...
‎Faty no hisarahana!
‎Voadingan-tsika roa,ny tonon-taona nifandimby
‎Niara-nisafidy,sy niaraka nilofo
‎Dia resintsika teny koa ny rivotra mifofo...
‎Nanambana handrava,
‎Handrava moramora ilay fiarahantsika
‎Handrava ilay masoandro, 'zay efa nibaliaka...

‎Saingy...
‎Rava teny ihany,'lay andram-panombohana
‎Ny saranga tsy nitovy,no sakana voalohany...namita ny tantara
‎Ny antsika koa tsy anjara...
‎Kanefa nanampikasana,hanohy ny efa vita
‎Dia ravarava teny,ny fiarahantsika

‎Na aza efa niezaka nanangana aro-fanina
‎Niezaka nanarina,ny rava rehetra rehetra
‎Saingy ny saranga,no zary toa nametra ny anjara sy ny lahatra
‎dia rakotra haizim-pito,'lay hazavana 'zay tomaratra

‎Nidify ilay masoandro...
‎Dia maizina koa ny andro

‎Ny saranga tsy mitovy no ady manoloana
‎Handresy sa...ahoana?

‎NANAHARY ilo

‎23/09/22  17:25min hariva

--------
Rohy:
5 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilo NANAHARY
Nampiditra : ilonanahary
Daty : 03/07/2026 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0165