Haolo (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAOLO,Seva sy atsanga ary kindresy
No mpiandry tanàna sisa tavela
Rindrina rava efa resy dia resy
Tandindon'ny fiainana teo fahaela
Tsipoy sy fody no sisa misangy
Ny vero sy akondro eroa an-tokotany
Varavarana goaka tsy misy mpamangy
Làlana tototra tsy afaha-mankany
Ny siokan-jatovo, ny tendrim-baliha
Ny anganon'i dada ny hira ny dihy
Tsy azo inoana ho tsy nisy tao
Fa inona loatra no nisy tety
Lany tamingana sa resim-pitia
Ny mponina teto no lasa nandao
Imbitika Rambala - 20/02/91
—-----------------------------
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
