Tsodrano (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ireo zanaka zafikely niatrika, miatrika ary hiatrika fanadianana

TSO-DRANO

Hiatrika ady ialahy
Koa mivonôna am-pitoniana
Ny herintsaina aza ariana
Amin'ny tebiteby sy ny tahotra
Fandresena atao an-tsaina
Fa ny tso-drano no ampombaina

Hiatrika ady ialahy
Aza asiana tebiteby
Na inona na inona tsy nety
Dia foano ireny ankehitriny
Tsy misy fondro tsy misy tsiny
Ataovy an-tsaina ireo ezaka
Sy fihafiana efa betsaka
Ho tonga mamy ange ireny
Ireo i dada sy i neny
Tsy mitsahatra mivavaka
Koa mitokia tena anaka
Ary mandehana amin'izay
Fa mitsodrano izahay

Aza be ahiahy
Fa tianay foana ialahy

Imbitika Rambala - 15/09/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
46 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 06/07/2026 22:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124