You are here: home > Vetso

ANAOVAN'NY FOKO SONIA - janahary

Azo vakiana?

ANAOVAN' NY FOKO SONIA

Safidy nekeko tsy nisy mpanery
Ny hiombom-pitia aminao ry lalaiko,
Tokana ekeko f'ianao samirery
No tompon'ny foko, ny vatako, saiko,
... Ny aiko, fanahiko!

Malala รด, fantaro :
Ambarako etoana ho ren'ny tontolo
F'ianao no hany mamiko anivon'ny maro
Tompon'ny amiko, tsisy mpisolo
Andrianin'ny foko, tsy foiko atakalo.
Ho marika hoenti-mirakitra izany
Raha misy manadina ka manontany,
Aborako an-tsoratra izao ka vakio
Arahiko datin'ny andron'ny anio :
"Izaho dia manaiky fa TIA tena TIA"

Ka indro f'anaovan'ny foko sonia !


JANAHARY ( Ratolojanahary Sylvain)

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : janahary


Nampiditra : kiriah
Daty : 13/07/2013
Mpamangy : 925
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

GEJA
INY LALANA INY
HANY TSARANY
AZA MANODY
AVIA
AN ' ERITRERITRA ANY