You are here: home > Vetso

AZA MANODY - janahary

Azo vakiana?

Tsy haiko ho'aho malala
Na ny ambin-toakanao
No dia mahery loatra
Ka nampitroatra indray
Ny ngidim-pahoriako
Nilaozanao sahady
Fa ny ambiny tsy lany
(Tsy telinao angamba)
Nataoko indray misotro
Noheveriko hampisava
Ny alahelom-poko
K'izany mihitsy hoy aho
No nampalemilemy
Sy nampitondra faisana
Ny vatana marefoko
Tsy ampy fitandremana
Kinanjo izao ity
Latsain'ny fanenenana

Ny molotrao nitohoka
Ilay sigara "baoroka"
Tavela tato an-tranoko
No mba nifohako azy
Ka reko nankarary
Sy nampanavinavy
Ny aty tratra keliko
Kofon'ny fitiavana
Fitia hitsentsitsentsitra
An'izay voatsentsitrao
Hany ka ny an-dohako
Nanjary valalalanina
Ny tenako aza mantsy
Tsaroako fanimpanina
Tsy nahatsiaro hanina
Hariva manontolo
Tsy nahajoro akory
Fa tonga dia natory.

Janahary.
29 Mey 2011

Mombamomba

Mpanoratra : janahary


Nampiditra : kiriah
Daty : 27/04/2013
Mpamangy : 947
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

GEJA
INY LALANA INY
ANAOVAN'NY FOKO SONIA
HANY TSARANY
AVIA
AN ' ERITRERITRA ANY