GEJA (janahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa topy maso monja
Dia ampy namantarako
Ny fonao te hiteny
Anatiny ao mangina.
... Kanefa atao ahoana
Fa ferana ny tenany
Tsy hamboraka ny tsiarony
Sy tsy ariny hovolanina.
Toa fantatro sahady
Fa mafy ny fidobok'
Ilay tia fa zary moana,
Rarana tsy hanambara
Ny teny anaty miafiny.
Ka na hidradradrada
Hilaza ny aminy aza
Tsy ho ren'ny hafa akory
Ka dia mandefi-teny,
Mangina fa voarara,
Mipitrapitra irery
Tsy manana amborahana
Ny tsy aritra kobonina.
Dia topy maso monja
No entina hanafarana
Ny sendra mba mandalo.
Manganohano ihany
Fa tsy afa-mitomany.

Dia topy maso koa
No hany nahalalako
Ny fonao te hiantsampy
Akaikin'ilay fo
Irianao mba ho namana,
Kanefa atao ahoana
Fa fatotra mangeja
No tazona mamikitra
Tsy hay vahana intsony.
Ka na hisindaka aza
Tazonim-bona foana,
Tsy afaka hitoetra
Anilan'ilay fo
Nofisina ho sakaiza.
Koa dia mitoka-monina
Sy tsy voavangin-kavana,
Mangaina tsy afa-miantso,
Tsy afaka mamindra.
Dia topy maso sisa
No entiny anehoany
Ny alahelom-pony
Manembona 'lay tiany

janahary
--------
Rohy:
1164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : janahary
Nampiditra : kiriah
Daty : 13/07/2013 13:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235