HANY TSARANY (janahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.

Fantatro tsara,
Azoko mihitsy ny tiany hambara
Kanefa lazao :
...
Fa lainga avy, hono, no hany renao
Kinga filaza, mahay manatsatso
'Lay olo-nitatitra, te hanakatso
Ny tohim-pitiava-niaraha-nigoka
Nanova ny mamin'ny rivo-nitsoka
Fantaronao kosa fa raha ny amin'iny
Handrava ny tsangam-pitia no nirîny.

Dia lazao azy

Fa mbola ho maro ny hafa no ho avy
Hamingana indray sy hitetika hamono
Ny afom-pitiavana k'aoka ho vonon-
Kisetra 'zay sedra tsy maintsy holalovana
Ny tanjona tokana dia ny fiarovana
Ilay manda vato niaraha-nanorina
Tiako izy mantsy, tsy foiko raha tsorina
Tsy ho vitako akory ny handratra ny fony
Lazao azy koa fa tsy hitako intsony
'Zay hoentiko manaporofo an'izany
'Ty sentoko ity mba vimbino mankany
Ho marika tokana, angamba hanekeny
Fa mety ho banga, tsy feno ny teny
'Zay hitanao teto tatero ho hainy
Hinoan'ny sainy

Ary hafatra farany

Tsy lalao sanatria hoe ny toky nambarany
Tsy foiny ho potika ianao nisasarany
Ekeny ho mpanjakan'ny fony, tsy sarany
Tokana tiany, tontolo hany "tsarany"

janahary
26 septambra 2012
--------
Rohy:
1134 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : janahary
Nampiditra : kiriah
Daty : 13/07/2013 11:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097