hafatra (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mametra ity foko,
mba hahay hampionon-tena iky ito saiko.
fa tsapako misoko
ny ngidin'ny fitiavana atohokao sombiniaiko.

tsy ho vita na azoko zakaina
ny ngidim-pandrafesana manarona ahy tontolo
ka aleoko miala tsy kapaina
fa mihintsana an-datony fa efa ho voasolo.

marina malala fa be ny fitia,
mamololon-dava mitombo isan'andro anatiko
kanefa aoka kosa akia
tsy vitako ny hitia anao kanefa voadidin'ireo rafiko

aleoko akia manaiky resy
intsony aho tsy hiady f'efa kely izao ny aiko
koa mandehana retsy
mahaleova mahalasana ianao r'ilay nolalaiko

akory aza misaina
ny lasatsika niaraha-nianoka fitiavana
mandehana sombiniaina
fa fotsiny aho ,eto no sisa hitazatazana.

dia aza mitodika amiko
na ho inona hitranga na inona hiseho
fa ndrao hampitombo izay tsy laniko
efa natohokao ny fiainako hatrin'ny anikeheo

dia ity no fara hafatra
tononiko aminao,eny tena faniriana
rehefa ny fiainanao lafatra,
dia iny zanako iny akia aza ampijaliana ah.

jayah razafi 22/12/2016. 05:10
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143