Tetezamita - Joé Rasamuel
Azo vakiana?
Anjaranao no mamisavisa
Ary afaka mitanisa
Ireo zava-bita
Nandritra ny tetezamita
Diniho sy fankao
Hoe : ilaina ve izao
Fa toa potika sy rava
Ity gasikara
Toa voafitaka avokoa
Ireo nitolona taloha
Toa fitaka sy vely
No voalazan'i Zandry kely
Tsy tazana akory
Ilay nolazainy hoe fihovana
Tsy noheveriny akory
Izay ho vokatry ny adalàna
Ry vahoaka Malagasy
Aza babon'ny olo-bao
Fa feno loto sy tasy
Ny ambarany aminao
Masina ny tanindrazana
Sokajy :
Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : Joé Rasamuel
Nampiditra : MousnDaty : 26/01/2013
Mpamangy : 780
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TinapakaNofy
Zara raha mba nifaly
Iza no tianao?