You are here: home > Vetso

Zara raha mba nifaly - Joé Rasamuel

Azo vakiana?

Soa fa rava ilay fitia
Soa fa tsy tanterak'ilay ho doria
Fa raha izany no nitoy
Angamba hatramin'ny aina no nafohy
Satria zara raha mba nifaly

Nokinendrin-tsika roa
Ny hoe hiara dia
Toa naharitra tokoa
noheverina ho fy
Saingy tsy tanteraka satria
Zara raha mba nifaly

Izay olona miteny
Dia hoe za no adala
Fa tsy fantany ireny
Ditranao mampisalasala
Ka naleoko noravana
Satria zara raha mba nifaly

Tsy tsapan'izy ireo
Ny fijaliana sesilany
Niainako nandritra izany
Ka diso hono aho niala teo
Nefa avotra aho satria
Zara raha mba nifaly

                                                               Joé Rasamuel                         14 Janoary 2013

Mombamomba

Mpanoratra : Joé Rasamuel

Nampiditra : Mousn
Daty : 14/01/2013
Mpamangy : 852
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tinapaka
Nofy
Tetezamita
Iza no tianao?