Tinapaka (Joé Rasamuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba raha notohizana
Maty aho fa tsy mba vizana
Angamba raha mbola natohy
Mety hatramin'ny aina no nafoy

Ka hisaorako ilay Ray ao ambony ao
Nanome ahy hery hanadino anao
Ka hisaorako ilay Tsitoha
Nampanan-tena fa ny fitia mbola hifoha
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
975 0
Hevitra mandeha
gasyjean ( 28/02/2013 22:21)
Ny fitia tsy tanterka ve tsiny?
Mbola miodina ny tany,ary boribory hatrany,
Tantara efa lasa ny amin'iny,
Tohizana ny diha,mankany mankany.

Mousn ( 05/03/2013 14:26)
Tsy hanome tsiny azy
Na hiantso tody koa
Tsy kivy fa hiady
Hikatsaka ny soa.

Raha ny sitrako aloha
Ny tany tsy hiodina intsony
Sao mantsy tafahaona indray izahay roa
ka hiverina hitempo ny fony
Hilaza ahy mangina
Hoe neniny ny lasa
Ka hamerina ny tiany
Hanavao ny kinasa.

Tantara efa lasa
Ho fafana anaty loha
Hampiononiko ny fo
Ary izaho tsy maintsy hitraka

Hitraka hanoy ny "dia"
Satria any ho any
No misy ilay fitia
Tsy mety lany mamy
gasyjean ( 05/03/2013 21:33)
Ny lolom-po tavela anaty,
Raha tsy sitran'ny fotoana;
Dia hampijaly hahafaty.


Ekena handresy ve ny fatahorana?
Toa omen-dalana izay ts'izy.
Sa mbola tsy ampy famatorana?
Izato ianao fa toa ankizy.

Tsy ho anan-kiviana anie sanatria!
Fa ho fikatsahana ny tsara.
Ny finiavanao hanoy ny "dia",
Ny lasa hivalona ho tantara.


Nefa aza adino fa...

Ny lolom-po tavela anaty,
Raha tsy sitran'ny fotoana;
Dia hampijaly hahafaty.










vahinintsoa ( 15/03/2013 09:20)
fiainana daholo zany
k az atao mampitomany
ilay Ray ao ambony no anankino ny ho avinao
f I zy mahalala ny izay Anjaranao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joé Rasamuel
Nampiditra : Mousn
Daty : 22/02/2013 08:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0638