bandy mandefitra - jojudi
Azo vakiana?
Bandy mandefitra
Zah bandy tsotra sy mora tenenina.
Ny sipako kosa masiaka no sady maditra.
Na ny phone-ko aza tsy azoko afenina.
Fa savainy isa-minitra.
Raha hitako mapiaraka izy,modiko tsy hita.
Satria zah matahotran'ny ho voafelaka.
Zah mantsy jombilo tsy tia mifanditra.
Ny olona milaza fa zah hono pelaka.
Tsy vakiako loha 'zay resakin'ny olona.
Sady ny mariazy tsy atao kilalao.
Bandy otra'nah zao ve dia tsy mba hitolona?
Ndray andro any zany fa mbola tsy amizao.
Raha izy mandaroka zah tsy mamaly.
'Zay iraka apanaoviny ekeko hoe "ENY".
Nitondra lelah tato atrano izy omaly.
Natory tamin'ny tany aho fa tsy sahy niteny.
Mombamomba
Mpanoratra : jojudi
Nampiditra : judiikaelDaty : 04/07/2016
Mpamangy : 1484
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy anjaraMasoandro-mpitiavako
Ny Vehivavy