Ny Vehivavy - jojudi
Azo vakiana?
Ny vehivavy no lazaina fa mpanjaka
Nefa toa tsy marin'izany,mpandainga ny vavany,mpamitaka ny molony
Raha mbola misy koa vehivavy dia ny ranomaso no hanjaka
Ka atao hoe mpanjaka tia tena fa masahy mamitaka ny olony
Ny vehivavy hono no amboara
Hiadian'ireo lehilahy,hajaina sy koloina
Ekeko nareo fa tsara
Anefa mora mivadika sy mora baboina
Ny vehivavy hono no tompon'ny "la clé"
Namboarina ho atao kilalao?
Ka hampidera ity entam-be
Aleoko ihany tokatena,aleo amin'izao
Dia vehivavy no mampiady
Ny mpinamana toa nidiran'ny devoly
Mahalatsaka ankady
Ny ahy aloha,ny vehivavy hatram'izao mbola nataoko fialamboly.
azafady indrindra
ho anareo vehivavy
Mombamomba
Mpanoratra : jojudi
Nampiditra : judiikaelDaty : 07/01/2016
Mpamangy : 1819
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy anjarabandy mandefitra
Masoandro-mpitiavako