You are here: home > Vetso

Masoandro-mpitiavako - jojudi

Azo vakiana?

Tiako ianao...

ilay masonao mijery toa masoandro mibaliaka,
tiako ho ahy irery,nefa mandoro ity foko
ity foko koa adala,miaritra tsy fidiny
miaritra,ny ngidin'ny fijaliana te hitoetra anilanao
eee! toa ngidy misy mamy
satria mamy ny mitia
fitiavana lehibe,maharakotra ny tany
ity tany feno anjely fa tsy misy toa anao
ianao ilay anjara?sa ianao ilay safidy?
safidy tsy niniako fa tongatonga hoazy
toin'ny tara-pahazavana nambabo ny ao anatiko
ka mety tsy ho tantiko,raha ho sembanan'drahona
ilay masoandro mibaliaka

Mombamomba

Mpanoratra : jojudi

Nampiditra : judiikael
Daty : 08/01/2016
Mpamangy : 1435
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy anjara
bandy mandefitra
Ny Vehivavy