You are here: home > Vetso

Ataoko ahoana - joseclaudio

Azo vakiana?

ATAOKO AHOANA

Ataoko ahoana no hikipy
Manoloana ireto maso
Mangarika hotopazana.

Ataoko ahoana no handà
Ireto tana-maro misaringotra
Mitazona ahy hijanona.

Ataoko ahoana no hilefa
Ireto noana sy mijaly
Mitady fanampiana.

Nefa...
Ataoko ahoana no hamaly
Ny vetsovetso-pony.
Ao anaty ny minitra?

Angamba!tsy misy afa-tsy
Ny mivavaka ho azy ireo.
Ampio aho fanahiko
Fa mafy ity adidiko.

Joseclaudio_2015

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 07/07/2015
Mpamangy : 767
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY