Fa nankaiza (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA NANKAIZA

Fa nankaiza daholo ny olona ety?
No mangina sy moana ny tanàna, toa haolo.
Nankaiza, nankaiza fa toa tsy misy fitia.
Ka lasa drodroka sy boboka ny lovan'ny Ntaolo.

Fa nankaiza daholo ny Reny tetÿ?
No mitomany irery ao an-trano ireo zaza.
Nankaiza, nankaiza ... he mba modia!
Fa manina ravaka..., no leo tabataba.

Fa nankaiza daholo ny olo-matanjaka?
No ireo lava volo no mihady ny bainga.
Nankaiza hoy aho , sa lasa nisitaka?
Dia amin'ny oviana vao hipody an-tanàna?

Fa nankaiza daholo ny ala terÿ?
No ngazana foana ny ala antsinanana.
Nankaiza, nankaiza sa efa very?
Dia taiza ianareo no tsy nanao fiambenana?

Fa nankaiza daholo ny fifankatiavana?
No toa mifanohitra ny mpiara-belona.
Nankaiza, nankaiza fa hatramin'ny mpihavana...
No tsy mifampitsimbina, tsy misy mifamelona.

Nankaiza nankaiza ny zo maha-olona?
Fa toa voahosihosy ny satan'ny tany.
... He! tsy misy angamba hafa-tsy tolon'
Ambavaka ihany no ady amin'izany.

Ka nankaiza, ka hoaiza ary lasa aiza,
Rafifankatiavana, sy fihavanana.

Joseclaudio_ jolay 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 20/07/2015 06:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157