Fandrosoana ve? (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANDROSOANA VE???

Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro milalao ëny an-tsaha.
Lahy sy vavy mifarimbona,
Hamelona vahoaka.
Tsy mba tazana eny aminy izany vatana malaina.
Tsy maintsy mitràka izy ireo, ary miasa vao maraina.

Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro milalao ëny an-dàlana.
Lahy sy vavy mifampitantana,
Tsy hay hoe inona no antony.
Fa tazana isan'andro, na maraina na hariva.
Tsy misaraka ireo, raha tsy ny andro no madiva...

Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro miondrika ëny an-dàlana.
Manao mbay làlana,
Itŷ halehany hizorana...
« Azafady re ry kiaky fa zaza itÿ mandalo...»
Tena feno fanajana, voaanatry ny Ntaolo.

Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro mifampitosy eny an-dàlana.
Ohatra ny hoe azy irery itÿ arabe mikopdana.
Ary voadona ity kiaky tsy nisy hoe nahoana?
Tsy nisy azafady, fa izy indray no nisavaona!
Tena hita hoe tsy manam-panajana.

Ny fandrosoana ary ve?
Misy any ambanivohitra,
Izay manaja ny soatoavina?
Sa eny andrenivohitra,
Takon'ny fakan-tahaka...?
Aiza hoy ianao no tena fandrosoana?

Raha ianao izao no mitsara.
Aiza no tena misy fandrosoana eto Gasikara?
Ny any ambonivohitra tsy manaiky ho very anjara
Sa ny any ambanivohitra izay aim-panahin'ny vahoaka?
Hoy ianao mandinika tsara...
Inona äry no fandrosoana raha ho an'ny Madagasikara???

26 May 2015






Joseclaudio.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1250 1
Mpakafy: joseclaudio
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 07/07/2015 11:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142