IZAY IANAO VAO RESY - joseclaudio
Azo vakiana?
IZAY IANAO VAO RESY.
Ianao ilay tsy mba sasatra nikatsaka hatrany.
Nandany ny andro maro, hitadiavana ny lafatra.
Nikaroka, nitolona niady foana foana.
Niitsemboka ianao na mafy aza ny ady nanoloana.
Ianao ilay tsy mba kivy, na maro aza ireo sedra.
Fa niezaka namindra nitady ny soa rehetra.
Ianao ilay tsy mba nionona,tamin'ny fiainana hoe "anjara "
Ianao?... ilay nanambatra ny hery ho vatsy hoenti-miady
Ianao... ianao hatrany hatrany,
Ilay niezaka nanonitra ny fiainana mitanila.
Nikatsaka fivoarana, nioitra mba ho soa!
Vitanao daholo izany rehetra izany.
Fa ny niafarana?
Dia resy foana ianao
Satria tonga ny tsy maintsy, lalana holalovana;
Diavin'olombelona...
Joseclaudio_ 01 aogositra 2015
Hevitra mandeha
joseclaudio (20/08/2015 06:51:46)
Mahonena ny fiainana tahaka izao. Lalana dia lalovana!!!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : joseclaudio

Nampiditra : joseclaudio
Daty : 18/08/2015
Mpamangy : 782
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
REHEFAMpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY