You are here: home > Vetso

Mba gaga aho - joseclaudio

Azo vakiana?

MBA GAGA AHO

Mba gaga aho ry avelo misary ho nofo.
Mba gaga aho mantsy amin'ny asanao.
Nahoana ianao no tsy sahy mijoro?
Fa miserana ihany dia lasa mandao.

Mba gaga aho ry avelo misary ho angatra.
Mga gaga hao mantsy amin'ny fisehoanao.
Maninona moa raha amin'ny andro no mipongatra?
Fa tsy ny alina no atao ho kilalao!

Mba gaga aho ry fasana nipoiran'itony!
Mba gaga aho hoe inona no anton'izany?
Sa tsy vitanao ny managadra azy irony.
Sa rehefa madiva ity nofo ho tany?

Mba gaga aho, mba gaga ry karazam-panahy
Fa maninona ny sasany no mandry fiadanana?
Ketraka ny aiko ary manahy...
Ary hatraiza ny fanahy no miova sampanana?

Joseclaudio_5 jona 2015

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 17/07/2015
Mpamangy : 530
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY