You are here: home > Vetso

Misy - joseclaudio

Azo vakiana?

MISY


Misy olona any ho any,
Tsy manadino anao izany.
Misy alina ihany koa,
mampahatsiahy ireo taloha.

Misy olona any ho any,
Miandrandra anao foana.
Misy fitia ihany koa
Toa nanjary babangaona.

Misy olona any ho any,
Mivetso anao fatratra.
Misy feo ihany koa
Miantso anao hiakatra.

Misy olona any ho any,
Manantena anao hipody.
Misy tontolo ihany koa
Voatokana ho soa...

Misy olona any ho any,
Tsy manadino anao izany.
Ary misy fo ihany koa
Maniry mba ho roa !

Joseclaudio( Ny kalokaloko )

Sokajy : Fampaherezana

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 03/07/2015
Mpamangy : 644
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY