sahy ve ianao (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHY VE IANAO?

Ianao ve mba misaina,
Ianao ve mba mandinika?
Fa maro ireo mitaraina
Ary betsaka ireo misitaka
Ny akany nipoirany,noho ny fahantrana!

Ianao ve mba mijery,
Ianao ve mba mitazana?
Fa mitomany irery,
Tsy manana iantsapazana
Ireto ory, ihara-tsindry hazolena!

Ianao ve mba mamantatra,
Ianao ve mba mandalina?
Ity fiainana feno sompatra
Maro ady andro aman'alina
Noho ny ataon'ireo tia tena!

Ianao ve sahy mitsetra,
Ianao ve sahy manarina?
Ireo vahoaka iharan'ny herisetra
Aman-jato, aman'alina...
Tavela anaty geja nataon'ireo tö-teny!

Ianao ve sahy hijoro?
Hiaro ireo mijaly
Hamorona tontolo
Hiainan'ireo marary
Izay tsy sitram-panafody hafa-tsy ny fitoniana!

Ianao ve sahy hilaza,
Ianao ve sahy hiteny?
Fa mety mbola ho foana ireo kotaba
Ary hangina ny ady ireny.
Sahy ve ianao hampangina ny tsy rariny?

Sahy ve ianao?
Ho lohan'ny vahoaka...
Hampahatsiahy ny mpitondra.
Koa na hisy basy hipoaka.
Dia tsy maintsy hamindra.
Satria ny tena tanjontsika.
Dia hanafoana ireo mpampandry adrisa
Koa sahy ve ianao satria i Madagasikara dia antsika an-tapitrisa...
Fa tsy azy ireo irery !

Joseclaudio_ jona 2015
sokajy: tolona sy fitiava-tanindrazana.
--------
Rohy:
Sokajy : tolona, - Ady
1177 1
Mpakafy: joseclaudio
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 03/07/2015 08:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138