You are here: home > Vetso

Sento fahavaratra - joseclaudio

Azo vakiana?

SENTO FAHAVARATRA

Misy ranomaso latsaka
Nanakotsa ity tavako.
Misy vetso tonom-bavaka
Efa fanaoko isan'andro.

Misy fakan'alahelo
Toa miraikitra ao am-po.
Misy sento mamelovelo
Mafy fofona tokoa!

Misy aloka niserana,
Nanajamba ny fijeriko.
Misy feo toa mihovitrovitra
Namparary ity lohako.

Misy fitia te-hitroatra
Nefa voasakan'orana milatsaka.
Misy fitia tsy mety tody,
Noho ny oram-pahavaratra.

Misy orana mikija.
Rehako miady aman-tafo.
Misy sento fahavaratra...
Tsy mety afaka ao an-tsaiko

Misy hira iray fikaloko
Anafenako alahelo.
Misy fitia izay tsy aritro
Nefa niserana toa avelo.
Joseclaudio( Ny kalokaloko)

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 03/07/2015
Mpamangy : 879
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY