You are here: home > Vetso

Tsiahy - joseclaudio

Azo vakiana?

TSIAHY...

Eo aloha ianao...
Dia tandremo milsandaotra.
Koa aoka mba ho tony!
Fa io an-doha fandrinako io
Ilay sarinay fahiny.
Dia itsy ihany koa
Ilay diariny fahiny,
Misy ny sora-tanany.
Ary ny dinan'ny fitia.
Noraiketiny ao mantsy
Ny taminay manontolo.
Ka na ny tsara na ny ratsy.
Voasorany ao daholo.
Ary ny teniny ao farany,
Dia hafatra ho ahy...
feno ny alahelony,ka tsy tiako ho hitanao.
Ka dia naleoko norovitina,
Mba hataoko ho fahatsiarovako samy irery.
Izy aloha malala!
Dia tena mbola tiako,
Fa saingy tsy atakaloko anao.

Joseclaudio_19 mai 2015

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 17/07/2015
Mpamangy : 867
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY