AZA NAMAKO (Justin TAHIRISOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA NAMAKO…!Raha mbola miavosa
Ireo lokom-posafosa,
Mahazatra anao ambieny
Ka ataonao eny ho eny
Sy an-katakonana any,
Ry sakaiza tsy manjary.
Dia…
Satriko tsy hifandray
Ilay tady nampiray,
Goragora mankaleo
Tiako ho tapitra hatreo;
K’aza namako aloha!
Raha maloto ny ao an-doha.
TAHIRIsoa J. (MAY 2017)
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
JustinTAHIRISOA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Justin TAHIRISOANampiditra : JustinTAHIRISOA
Daty : 16/05/2018 12:38