BASY (Justin TAHIRISOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BASY

Kivy ny saiko
marary ny aiko
Rehefa mihevitra
sy mieritreritra
Ny antom-pisian’
ny fitaovam-piadiana
Toa mahery vaika
sy mafy tsy laitra.
rehefa mipoaka
tsy ahafaha-mitsoaka
fa toy ny varatra
haingam-pilatsaka.
Mirefodrefotra
mila hanempotra.
eny,tsy tanty
Fa mety ahafaty
Tsy voaisa intsony
ireo novonoiny;
Ny sendra tsy maty
nibaby ny mafy
Nitondra takaitra
kilema tsy laitra.
Ka mampitomany
maha-kivy aoka izany,
Mahita ity basy
Hoentina miantsy
Hisetrasetrana,
Handikan-dalàna
Nahitana angano.
Miangavy foano!
Ny mpamorona azy
Melohy ho voasazy
Fa biby fisaina
Tsy mahay miaina
Jereo ny porofo!
Efa hitam-poko.

TAHIRISOA Justin (sept. 2016)
--------
Rohy:
846 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Justin TAHIRISOA
Nampiditra : JustinTAHIRISOA
Daty : 08/12/2017 14:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141