You are here: home > Vetso

Hanoratra aho - KOLESY

Azo vakiana?

Hanoratra ihany aho ho anao
Ka tsy hijanona ny rantsako
Raha tsy efa ritra ranomainty
Angamba, na efa sina sady lefy

Hanoratra aho ho anao
Hanangona ireo kely fantatro
Tsy sitra-po; na hoe tsy maintsy
Angamba, ka hikimpy vetivety

Hanoratra aho mba ho anao
Ho rediredin’ity peniko
Hanoratra aho mba ho anao
Mba hampisinda ny eritreritro

Nefa ...

Tsy hanoratra aho fa aoka izay
Ndrao handratra anao tsinahy
Ka ho tonga fery vao
Ilay soratsoratro ho anao .... !

Fa .... hanoratra ihany aho anefa
Saingy tsy ho anao intsony
Rovito izay miomba ahy rehetra
Ka ny ferinao ho sitrana, ny mararinao ho tony

Hanoratra aho mba .... tsy ho anao
Ka tsy hijanona ny rantsako
Ndrao ka mantsy fantatrao
Ireo goika maro ao antratrako


Sokajy : Fiononana, Hambom-po

Hevitra mandeha

Zozoro (01/05/2012 09:46:19)

Manorata foana fa aza mangina na ho azy na tsy ho azy e!
Mahay ny mpanoratra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : KOLESY

Nampiditra : kolesy
Daty : 28/04/2012
Mpamangy : 803
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

INDRA-FO SY ANTRA
Moa tsy nino ?
IO VOLANA IO
TSIKY