IO VOLANA IO (KOLESY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO VOLANA IO

Raha mba azoko nafarana
Mantsy io volana io
Hamongatra indray ireo vetso efa antaranoana …
Angamba dia tsy hifarana
Io sari-soratro io
Raha tsy efa tamy indray ny tsinan-kateloana !

Rah’ masoandro mitomany
Na reno-torin’ny hazavàny
Matokia ianao, f’angamba misy ihany
Volana mazava koa tomaratra any ho any
Baliaka feno tsiky, no tsy mba manindao
Mitrebika ny rahona…hizaha ny endrikao.

Ny volana iny mantsy… raha afaka hitory
Hanao tantara vato ny fiainantsika ireto
Angamba… asa lahy, hifoha hamelovelo
Ny lasana efa mandrin’ny fotaka natory
Ary mety angamba na any koa na eto,
Hipongapongatra eny ireo tsiambaratelo…

KOLESY
--------
Rohy:
1433 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KOLESY
Nampiditra : kolesy
Daty : 25/08/2010 07:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156